Nitrangana fanafihana mitam-piadiana indray tany amin’ny fokontany Andafiatsimo Ambatolampy, distrikan’ Antsirabe, ny sabotsy hariva lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora latsaka fahefany. Notafihin’ny andian-jiolahy mirongo fitaovam-piadiana ny tokantrano iray. Nisaron-tava avokoa ireto olon-dratsy tamin’ny fotoana nanatanterahiny ny asa ratsy. Niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano ireo dahalo. Nanambana basy ny mpivady tao an-trano vantany vao tafiditra. Nanapoaka basy indroa tao amin’ilay tokantrano ireo mpandroba, nandritra izany, mba ho fandrahonana ny tompon-trano sy nitaky ny vola rehetra, raha ny fanazavana voaray avy amin’ ny zandarimariam-pirenena ao Ambatolampy. Vokany, lasa tamin’izany, ny vola mitetina 10 tapitrisa Ariary. Vola maty ny andron’io avy amin’ny tsena roa ireo vola voaroba ireo, raha ny fanazavana hatrany. Ankoatra izay, mbola lasan’ireo jiolahy ihany koa ny finday rehetra sy ny firavaka volamena tao amin’ilay tokantrano.
Tovolahy roa voatifitra
Lasa nitsoaka nihazo an’ Andohasaha Nazareth ny lalan’ ireo jiolahy taorian’ny asa ratsiny. Nisy tovolahy roa, 16 sy 20 taona, nivoaka ny trano, nikasa hijery ny zava-misy, saingy notifirin’ireo olon-dratsy. Vokany, voa teo amin’ny lohalika sy ny fe ireo olona ireo. Tonga teny an-toerana nitrangan’ny fanafihana ny zandary miasa ao amin’ny tobim-paritra Ambatolampy sy ny polisim-pirenena miasa ao amin’ny kaomisaria taorian’ny tranga. Efa mitohy ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy saingy mbola tsy nisy tratra hatramin’ny omaly. Efa nentina notsaboina any amin’ny hopitaly kosa ireo naratra ary tsy misy ahina ny toe-pahasalamany. Niandraikitra ny fanadihadiana ny polisim-pirenena avy amin’ny kaomisaria Ambatolampy.
Marihina fa nisy nahita sy nahatsikaritra ireo andian-jiolahy, nirevy sy nisotrosotro tao amin’ny bar iray tany an-toerana talohan’ny fanafihana, ny mponina saingy tsy nieritreritra na inona na inona.
Mino




