Nitrangana haintrano indray tetsy Manakambahiny ny zoma alina, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany tany ho any. Trano iray, nahitana rihana roa, no may kilan’ny afo tanteraka. Raha ny angom-baovao voaray teny an-toerana, adin’ ny mpivady tamin’ireo mpanofa trano tany amin’ny rihana ambany no niatombohan’ny afo. Nifamono izy mivady ary nikasa handratra ilay ramatoa tamin’ny antsy ny raim-pianakaviana. Lasa nitsoaka niakatra tany ambony rihana ilay vehivavy. Tezitra ilay raim-pianakaviana ka nandraraka toaka gasy 10 litatra tamin’ny trano. Niitatra haingana tamin’ireo efitra hafa ny afo noho ny fitsokan’ny rivotra.
Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena manao fisafoana sy ny avy amin’ny Vondrona mpamonjy voina ary ny avy amin’ny Brigade criminelle, niezaka namono ny afo sy nifehy ny filaminana. Vokany, kilan’ny afo tanteraka ny trano sy ny entana rehetra. Ankoatra izay, olona roa (izay mpivady niady) naratra voan’ny pitik’afo. Nahitana ratra nandritra izany teo amin’ny tanany havia. Tsy misy atahorana ny ainy satria efa nahazo fitsaboana sahaza azy izy ireo. Voafehy tanteraka ny afo tamin’ny 1 ora latsaka 10 minitra maraina.
Mino




