Mpanendaka etsy Anosibe: Jiolahy raindahiny lavon’ny polisy

Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy fanaovana vaky trano, maty voatifitry ny polisy tetsy Anosibe, omaly maraina. Avy nanendaka ramatoa haka entana maraina izy no nifanehatra tamin’ny polisy.

Nirefodrefotra ny basy tetsy Anosibe, omaly maraina tokony ho ta­min’ny 3 ora sy sasany tany ho any. Lavon’ny balan’ny polisy teo am-panendahana ramatoa avy naka entana maraina ny jiolahy raindahiny iray manodidina ny 30 taona. Naharay vaovao avy amin’ny tsara sitrapo ny polisy fa mi­rongatra ny tranga fanenda­hana sy vaky trano eny amin’ iny faritra Anosibe sy ny mano­didina iny. Tsy niandry ela fa nametraka ny vela-pandrika avy hatrany ny polisy nanao fanamiana sivily. Nahitana ny avy amin’ny Compagnie urbaine d’intervention (CUI) sy ny Unité d’intervention rapide (UIR) ary ny polisy miasa ao amin’ny CSP 5 Mahamasina. Anisan’izany ny fanantante­rahana ny fisavana amin’ny alina mandra-maraina. Tsika­ritra manaraka mpandeha sy mpiantsena mivoaka maraina teny Anosibe ny lehilahy maromaro. Tratra teo am-panendahana vehivavy mpivarotra avy naka entana maraina izy ireo. Nanatona hikasa hi­sambotra azy ireo ny polisy, saingy niporitsaka tany anatin’ny elakelatrano ireo olon-dratsy. Nifanena tamin’ny mpitandro filaminana anefa ny iray tamin’izy ireo.
Nikasa hamely tamin’ny antsy

Nasain’ny polisy nijanona izy nandritra ny fifanenjehana saingy namoaka antsy ary nikasa hamely ireo mpitandro filaminana. Voatery niaro tena, araka izany, ireto farany ka nitifitra azy. Vokany, maty tsy tra-drano noho ny ratra mafy nahazo azy ilay tonta­kely. Marihina fa mponina eny Antohomadinika io jiolahy io ary malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy sinto-mahery ary fanafihana mampiasa zava-maranitra. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo na­many izay miara-manao io asa ratsy io eny amin’ny ma­nodidina.

Marihina fa anisan’ny fomba fiasan’ireto olon-dratsy ireto ny mitangorona amin’ny olona izay kendreny. Amba­nan’izy ireo amin’ny antsy avy hatrany ilay olona ary tereny hanome ny vola sy ny zavatra sarobidy rehetra any aminy. Entanina hatrany ny olom-pirenena mahalala vaovao mahakasika ireo olon-dratsy mba hilaza any amin’ny ma­nampahefana, hahafahana misam¬botra sy mamongotra azy ireny.

Mino

Partager sur: