Tontosa ny alahady lasa teo, tany Antsirabe, ny dingana voalohany tamin’ny fifaninanana nasionaly, taranja basikety, N1A, ho an’ny faritra afovoany. Voahosotra ho tompon’amboara ny ekipan’ny JEA Vakinankaratra, teo amin’ny vehivavy ary ny GNBC Analamanga kosa teo amin’ny sokajy lehilahy. Raha hiverenana ny lalao famaranana izay niadiana ny amboaran’ny ligy, nahazo ny fandresena ny JEA rehefa nandavo ny ekipan’ny MB2ALL Analamanga, tamin’ny isa 67 no ho 47, teo amin’ny sokajy vehivavy. Teo amin’ny lehilahy kosa, voahosotra ho mpandresy ny GNBC rehefa nandavo ny ekipan’ny MBC Atsinanana, tamin’ny isa 63 no ho 48. Ny dingana faharoa sy farany izay hatao eto Antananarivo indray no miandry ireto mpifaninana amin’ny N1A ireto.
Mi.Raz
MVP vehivavy : Tojotiana (Fafah) – JEA Vakinankaratra MVP lehilahy : Olivier – GNBC Analamanga “Meilleure Marqueuse” : Razafimahatratra Basilisy – Ankaratra Vakinankaratra – 91 isa “Meilleur Marqueur” : Tsialefitra Jino – MBC Atsinanana – 169 pts Tompon’amboara vehivavy: JEA Vakinankaratra Tompon’amboara lehilahy: GNBC Analamanga Tompon’amboara lefitra vehivavy : MB2ALL Analamanga Tompon’amboara lefitra lehilahy : MBC Atsinanana




