Notanterahina, omaly teny Andraharo, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny Padel MPPT Tour sy ny Yas Madagasikara. Nanatanteraka izany, i Garry Ah-Waye, tomponandraikitry ny MPPTour sy i Benoit Janin, tale jeneralin’ny Yas Madagasikara. Notsiahivin’ny mpitantana ny Padel MPPTour fa mifantoka amin’ny fampivoarana ny taranja amin’ny alalan’ny fahaiza-manao sy ny fahavitrihan’ity orinasan-tserasera ity izao fiaraha-miasa izao. Hapetraka ny tena lanjan’izany Padel izany eto Madagasikara, mba hisy fiantraikany amin’ireo mpilalao. Tantara vaovao ho an’ny Padel, izao fifanomezan-tanana eo amin’ny roa tonta izao, amin’ny fanomananana ireo taniketsan’ny padel. Ny tale jeneralin’ny Yas Madagasikara, kosa nanamafy ny maha zava-dehibe ity taranja ity, izay miroborobo fatratra ankehitriny ary mahasarika olona maro, manerana ny Nosy. Hitondra zava-baovao sy fomba fijery miavaka ny fisian’ny Yas Madagasikara eo anivon’ny Padel. Inoany, araka izany, fa haharitra ny fiarahan’ny andaniny sy ny ankilany. Notsiahivin’i Garry Ah-Waye fa efa mahatratra eo amin’ny 580 ny isan’ireo mpilalao manerana ny Nosy fa heverina hahatratra 1000 izany, atsy ho atsy. Mahatratra 11 ny fifaninanana ho hatrehina amin’ity ka ny 2 amin’izany no fihaonana iraisam-pirenena. Hanombohana azy ny fifaninanana hatao any Toamasina ny 25 sy 26 avrily ho avy izao.
Tompondaka




