Hotanterahina eny amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, ny 21 sy 22 avrily ho avy izao, ny atrikasa famelabelarana momba ny baolina kitra tsy matihanina. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny Fifa ho fampandrosoana ny baolina kitra “amateur” ity atrikasa ity, ka hampivondrona ireo mpisehatra amin’ny baolina kitra eto Madagasikara. Hitarika izany i Etienne Sockeng sy i Savadogo Ousmane.
Niakatra eo amin’ny laharana fahefatra ny CFFA, taorian’ny andro faha-11 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra Pureplay football league (PFL), ho an’ny kaonferansy atsimo. Ny fandreseny ny AS Mama tamin’ny isa 2 no ho 0 no niakarany. Ankoatra izay, voatazon’ny Uscafoot ady sahala samy tsy nisy nitoko ny Elgeco Plus. Ny FC Rouge indray lavon’ny Tsaramandroso, 2 no ho 1.
Nomontsanin-dRabejaona Holy Antsa ny fe-potoana tsara indrindra eo amin’ny “100m nage libre” teto Madagasikara. Nohatsarainy ho 59″62 ny fe-potoana 59″73 an-dRabarijaona Tiana Muriel, tamin’ny 25 oktobra 2020. Nitana ny laharana faharoa i Holy Antsa, tao amin’ny série fahefatra nandritra ity fiadiana ho tompondakan’i Hongrie nizotra tany Sopron, ny farany herinandro ity.




