Trano dimy main’ny afo : Fianakaviana miisa 12 tsy manan-kialofana

Nitrangana hain-trano tao Ambalabe, fokontany Andra­nomainty, disitrikan’i Mana­kara, omaly, tokony ho tamin’ny 02 ora tolakandro. Trano miisa dimy no voakasiky ny firehetana ary may kila forehitra ny trano telo tamin’ireo niaraka tamin’ny entana tao anatiny. Mahatratra 12 ny isan’ny fianakaviana traboina sy tsy manan-kialofana, vokatr’izany. Kely ny niantombohan’ny afo saingy niitatra haingana be izany noho ny fitsoky ny rivotra sy ny kojakoja nanaovana ireo trano, raha ny fanazavana voaray. Niara-nientana namono ny afo ny mponina tany an-toerana noho ny tsy fisian’ny mpamonjy voina. Anisan’ny olana any an-toerana ny tsy fananana fitaovana famonoana afo sy ny tsy fisian’ny mpamonjy voina, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny kaominina Ambonivohitr’i Mana­kara.
Naharitra ora maro vao voafehy sy maty tanteraka ny afo. Vokany, lasa lavenona avokoa ny trano sy ny entana maro tao anatiny. Nisy ny fifanilihana teo amin’ireo tra-boina ka tsy fantatra mazava ny tena antony niavian’ny loza, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Manoloana ny voina any an-toerana, manao antso avo avy amin’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny sy ny fanjakana, araka izany, ny mponina. Nangatahan’izy ireo ihany koa ny hamahana ny olana mba hisorohana ny tranga tahaka izao. Marihina fa tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy nandritra ny tranga.

Mino

Partager sur: