Norombahin’ny ekipan’ny UBM Tokana, ny amboaran’i Madagasikara teo amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka lehilahy. Lasan’izy ireo ny vola 3 tapitrisa Ariary sy ny amboara ho an’ny ekipa. Nandrombaka izany kosa ny FAM ho an’ny vehivavy.
Tanteraka tany amin’ny kianja Vakinankaratra, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, amin’ny taranja tsipy kanetibe olon-telo miaraka. Nisongadina ny ekipan’ny UBMT, nahitana an’i Mamy sy i Bela ary i Donald, izay nahazo ny laharana voalohany ary nandrombaka ny lelavola 3 tapitrisa Ar, tamin’ity. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana ny klioban’ny C2BA nahitana an’i Ambinintsoa sy i Sitrakiniaina ary i Jean Elie. Nisaraka tamin’ny isa 13 no ho 6 ny roa tonta. Niverina tamin’ny heriny tanteraka i Mamy, rehefa ela tsy tazana nandray amboara tahaka izao. Mbola mitoetra hatrany kosa ny traikefan’i Donald, teo amin’ny toeran’ny «milieu». Tao aminy avokoa mantsy no nivoahan’ny herin’ny ekipa satria sady vitany ny nameno ny tifitra sy ny maka isa. Tsiahivina fa nahilik’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 0 ny ekipan’ny PAC Ampitatafika nisy an’i Rija Deba sy i Balôty ary i Hery Morondava.
Ny ekipan’ny FAM indray no nahazo teo amin’ny vehivavy, notarihin’i Salima sy i Vatosoa ary i Lalatiana. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 13 no ho 9 i Lafatra sy i Avotra ary i Livasoa avy amin’ny SBA. Voahosotra ho tompon’ny amboara kosa ny CBAT nahitana an’i Angelo sy i Garcia ary i Tsitohaina, izay nandavo ny C2BA nisy an’i Narinirina sy i Antsaniaina ary i Nomenjanahary.
Ho an’ny sokajy zokiny “veteran”, adin’ny samy C2BA ny famaranana. Lasan’i Jean Remi sy i Antoine ary i Rodilson, ny amboara rehefa nandresy an’i Ndrema sy i Jean Jacquis ary i Nanah, tamin’ny isa, 13 no ho 11 teo amin’ny famaranana. Tsiahivina fa nahatratra 257 ny isan’ny mpifaninana teo amin’ny sokajy “senior” lehilahy raha 40 ny vehivavy. Nahatratra 32 ny zandriny ary 43 teo amin’ny zokiny.
Fitia Randri




