Toy ny isan-taona, hanamarika ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena i Madagasikara. Hotontosaina ny 24 – 26 avrily izao, izany. Maro ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena, toy ny hazakazaka firaisankina, hiainga eny amin’ny Parvis Analakely ka hatreo amin’ny kianja Barea, ny alahady izao. Ny basikety 3 x 3 ary ny baolina kitra ho an’olona 7, hifanandrinan’ireo minisitera. Hampiavaka ity andiany ity, ny takariva miavaka ho an’ireo kalaza, hanolorana mari-pankasitrahana ireo federasionina namoaka atleta maro sangany tamin’ny taom-pilalaovana 2025 sy ny tamin’ity tapa-taona ity. Toy ny mahazatra, hisy ny «salon national des Sports», tanterahina mandritra ny hateloana. Tafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny taranja isanisany izany ka handray anjara sy hanana tranoheva ireo federasionina, ligy, mpanohana sy mpiara-miasa. Tanjona ny hanamafisana ny firaisankina sy fanohanana ny tanora. Mpanohana ny hetsika ny Yas Madagasikara, izay tsy vahiny amin’ny fanohanana ny fanatanjahantena malagasy.
Tompondaka




