Lucadro : Manana tanjona hiakatra N1A

Ekipa anisan’ny sangany eto Analamanga, ny Lucadro (Lutte Contre l’Analphabétique et la Drogue), ekipa malagasy eo amin’ny taranja basikety. Vao avy nandrombaka ny tompondakan’ny Seksiona Antananarivo, ity ekipa ity, ka miatrika ny N1B eo anivon’ny ligin’Analamanga amin’izao fotoana izao. Tanjona ho azy ireo ny hiakatra N1A, araka ny nambaran’ny filohany, Andrianantenaina Jean Felix. Ankoatra izay, ny hanome tsaratsara kokoa hatrany ihany koa ny tena himasoan’izy ireo. Araka ny anarany, mitaiza zaza sahirana sy manampy ireo taizany eo amin’ny fampianarana sy fisorohana amin’ny zava-mahadomelina ny Lucadro. Maimaimpoana, araka izany, ny fidirana sy fanarahana fampianarana basikety ao amin’ity klioba ity. Tsiahivina, ny taona 2017 no nitsangana ny Lucadro ary manodidina ny 200 eo ny mpilalao ao aminy, izay manomboka amin’ny sokanjy U10 hatramin’ny N1B. Efa in-13 nahazo amboaran’i Madagasikara ny Lucadro ary nisy fotoana aza nanao pao-droa mihitsy.

Mi.Raz

Partager sur: