Hotanterahina ny alahady ho avy izao, eny Mahitsy, ny dingana voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena amin’ny «course de côte», andiany fahatelo, iarahana amin’ny Liquimoly, amin’ny taranja mekanika. Fifaninanana karakarain’ny klioba MSA, eo ambany fiahian’ny Federation sport-automobile de Madagascar (FSAM). Tanterahina amin’ny fiakarana miainga eo Mahitsy mihazo an’Antanetibe Mahazaza izany. Mirefy 2,3 km ny halaviran-dalana hifaninanana amin’ity. Manaraka ny fitsipiky ny Federasionina ny fifaninanana. Hifarana amin’ity alakamisy ity ny fisoratana anarana ho an’ireo mpifaninana mahafeno ny fepetra rehetra.
Raha ny fizotry ny fifaninanana indray, hisy ny andrana andraisana ny fe-potoana mialoha ny tena fihaonana ho an’ny fiara sy ny Cross-car. Arakaraka ny fisoratana anarana no fiaingana mialoha amin’izany. Aorian’izay vao hiditra amin’ny tena fifaninanana, ka samy manatanteraka ny dingana voalohany ireo fiara sy Cross-car. Miato kely izany rehefa tontosa ny hazakazaka ka hisy ny fampisehoam-pahaizana ataon’ireo mpitondra kodiaran-droa (motos). Hitohy avy hatrany amin’ny dingana faharoa sy fahatelo ny fifaninanana. Hivoaka ho tompondaka izay manana fe-potoana tsara indrindra amin’ireo dingana telo ireo.
Tompondaka




