JJB : Klioba 12 hifaninana amin’ny “Gi Tournament Battle-XX”

Anatin’ny fanatanterahana ny fandaharam-potoana ho an’ny taona 2026 ny eo anivon’ny taranja Jiujitsu breziliana, amin’izao fotoana. Ny “Gi Tournament Battle-XX” no fifaninanana voalohany miandry ny mpikatroka.

Hotanterahina ny 25 avrily izao ity fifaninanana karakarain’ny klioba JJB Attila ity. Hatao eny amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Mpikatroka 135, avy amin’ny klioba 12, manerana ny faritra 3, dia Anala­manga, Vakinankaratra ary Atsinanana, no handray anjara amin’izany. Anisan’ny klioba vao niditra eo anivon’ny federasionina ny Jits Vibes ka handray anjara sahady amin’ity fifaninanana ity.
Tsiahivina fa fifaninanana voalohany hatrehin’ny Mala­gasy mpikatroka ny taranja Jiujitsu breziliana amin’ity taona 2026 ity ny “Gi Tour­nament Battle-XX”. Zava-dehibe, araka izany, ny fandraisana anjara amin’io. Hahazoana isa ho an’ny taom-pilalaovana izany, ka hisy fiantraikany amin’ny filaharan’ny mpikatroka tsirairay.

Hisy seho miaraka amin’ny Mage 4

Ankoatra ny fifaninanana, hisy ihany koa ny seho hiarahana amin’ny Mage 4, amin’io fotoana io. Araka ny fandaharam-potoana, hotanterahina ny tapany hariva ny seho. Amin’ny maha fampisehoana azy, misy vidim-pidirana 5 000 Ariary. Mbola maro ny fifaninanana miandry ny Fede­ra­sio­nina malagasin’ny Jiujitsu amin’ity taona ity. Anisan’izany ny “Grand Open de Mada­gascar” sy ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany izay efa andraisan’i Madagasikara anjara isan-taona. Efa eo am-panomanana ity fifaninanana iraisam-pirenena ity ny Mala­gasy mpikatroka any amin’ny klioba misy azy avy. Misy ireo efa amam-bolana maro no niatrika fanazaran-tena sy kotrana mafy mba hahafahana mahazo vokatra tsara.

Mi.Raz

Partager sur: