Araka ny vaovao avy amin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasionina malagasin’ny Tolona (FML), omaly, fantatra fa handray anjara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny «lutte olympique», sokajy zandriny, i Madagasikara. Fifaninanana hatao any Alexandrie, Egypte, ny 27 avrily ka hatramin’ny 5 mey ho avy izao.
Manana solontena efatra mianadahy ny federasionina amin’izany fihaonana an-tampony aty Afrika izany. Ralambomanana Eckaya sy i Lawrence Mpandresy, izay hiatrika ny ady ao amin’ny sokajy U-20 sy Seniors ary mbola hifaninanana amin’ny “lutte” fanao eny amorontsiraka. Razafinjato Rinho kosa ho an’ny sokajy Sénior. Razafimandimby Miangoty kosa no hiady eo amin’ny sokajy U17. Marihina fa i Lawrence Mpandresy (-74 kg), sokajy lehilahy, atleta mipetraka any Eoropa. Avy hatrany dia hamonjy ny delegasionina any Egypte izy. Naneho ny alahelony kosa ny filohan’ny federasionina malagasy fa noho ny tsy fahampian’ny vola, tsy afaka nitondra mpitsara sy mpanazatra ny ekipam-pirenena malagasy.
Tompondaka




