Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany Antsirasira II, Ambohitoaka, distrikan’i Mampikony, afakomaly hariva, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva. Niseho teo amin’ny PK 93+500, teo amin’ny sampanan-dalana Ampasimatera, ny loza. Bisikileta iray notaingenan’olona roa no niharan-doza. Nandeha taorian’ny kamiao iray ilay bisikileta. Nijanona tampoka anefa ilay kamiao ka tsy tafajanona ilay bisikileta ary tafatsofoka tao ambanin’ny kodiaran’ny fiara. Vokany, voahitsaka tao ny lohan’ilay lehilahy iray 30 taona izay nitondra io kodiaran-droa io. Raha naratra kosa ilay nentina (32 taona). Efa nentina teny amin’ny hopitaly Ambohitoaka ilay naratra. Samy mamo avokoa izy roa lahy tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, raha ny fanazavana voaray. Taorian’ny loza, notanana natao andrimaso ny mpamilin’ilay kamiao, mba hisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka. Entanina hatrany ny mpampiasa lalana, indrindra ny bisikileta sy ny moto, mba tsy hanaraka akaiky loatra ny fiara eo alohany, satria mety hitera-doza izany. Tokony hajaina hatrany ny elanelana eo amin’ny samy fiara na fiara sy kodiaran-droa.
Mino




