Mandeha ny siosion-dresaka, afakomaly, fa tsy hanaiky ny handray ny lalaony amin’ny Ajesaia, etsy Iavoloha, ny talata ho avy izao, ny Tsaramandroso Formation FC (TFFC), avy atsy Boeny. Nambaran’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba ity fa tokony ho izy ireo no hampiantrano ny fihaonana, izay tokony hatao any Mahajanga, ny alahady ho avy izao. Taitra sy tohana mihitsy ry zareo nahita ny fiovan’ny fandaharan-dalao, ny alatsinainy lasa teo.
Raha ny filazan’ity mpampita vaovao ity hatrany, efa nahazo ny fandaharan-dalao mialoha ry zareo, saingy novaina tsy nisy fifampiantsoana na fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitry ny klioba TFFC Boeny izany.
Raha ny fantatra, efa nanao antso avo tamin’ny tomponandraikitry ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny lehiben’ny klioba TFFC, ny hijerena ny mahakasika izany. Araka ny vaovao azo tamin’io loharanom-baovao io ihany, nisy ny fivorian’ny CFEM, omaly, mahakasika an’ity fifanintsanana ity, ary andrasana ny tohin’ny raharaha.
Tsara marihina fa manana lalao iray hihaonana amin’ny TGBC Atsinanana, any Barikadimy, Toamasina, ny alahady 3 mey ho avy izao, ny TFFC raha tsy misy ny fiovana farany.
F.R




