Nanatanteraka fivoriana mahakasika ny fandraisana ny « Can 2027 », atsy Kampala, ny 22 hatramin’ny 23 avrily teo, ny Caf sy ny filohan’ireo firenena telo mampiantrano izany, dia i Kenya, Tanzanie ary Ouganda. Raha tsy misy ny fiovana farany, hiakatra ho 28 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’ity fiadiana ny amboaran’i Afrika ity.
Hosokafana amin’ny fomba ofisialy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Tonga hanatrika izany, sy hampisy tranoheva, amin’io hetsika io ireo Federasionina maro isan-karazany eto Madagasikara. Anisan’izany ny rafitra federalin’ny baolina kitra FMF, ny Handball FMHB, hifarana ny alahady ho avy izao ity hetsika ity.
Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny IKM Antsahavola, ny “Tournoi d’ouverture”, ho an’ny taom-pikatrohana 2026, eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs. Fifaninanana izay hisy fihodinana 7 ka hanomboka amin’ny 8 ora sy sasany maraina, raha ny fandaharam-potoana.




