Naratra mafy, voafira antsy teo amin’ny tarehiny sy ny tongony ny tovolahy iray, ny talata alina lasa teo. Alahelo noho ny fandavan’ny tovovavy notsiriritiny no nanosika ilay nahavanon-doza hanafika mpifankatia, tao Ambalamanasy.
Naratra mafy! Torana tsy nahatsiaro tena ny tovolahy iray, antsoina hoe Patrick, ny talata alina lasa teo. Notafihin’andian-jatovo izy sy ny sakaizany rehefa hamonjy fodiana, avy nianatra. Voalaza ho nahatonga izany ny fialonana sy hasarotam-piaro diso toerana avy amin’ny tovolahy iray nitsiriritra ilay tovovavy. Teo amin’ny fari-pisasahan’ny fokontany Andranomadio 11/43 sy Ambalamanasy no nisehoan’izany.
Fikasana hamono olona, niniana natao ny azy telo lahy: ilay tovolahy nitsiriritra sy ny namany. Efa nandrasan’izy ireo kendry tohina ireo mpifankatia, raha ny fanazavana avy amin’ny niharam-boina. Ilay tovovavy mihitsy no saika ho vonoin’izy telo lahy. Niaro sy nanao ny fomba niarovana azy anefa ity olon-tiany. Vokany, tsy nahakasika azy ny antsy. Ilay tovolahy niaro no nifatraran’izany teo amin’ny tarehiny. Tsy vitan’izay, rehefa lavo tamin’ny tany izy dia mbola nokapain’ireo mpanafika tamin’ny antsy koa ny tongony ka nahatorana azy. Nandositra ireo mpanafika taorian’izay.
Hifampitadiavana
Nentin’ny fianakaviany teny amin’ny hopitaly, efa nahazo fitsaboana ilay naratra. Avotra soa aman-tsara, tsy misy atahorana ny ainy. Efa mandeha ny hazalambo azy telo lahy, indrindra fa ilay Tetefa. Ity farany izay voalaza fa tompon-kevitra sy namira antsy ny lasibatra.
Nilaza ny fianakaviana fa fialonana tsotra izao no anton’ny fikasana handatsaka ain’olona. Naniry ny hiaraka amin’ilay tovovavy i Tetefa, saingy nolavin-drazazavavy. Andro mialoha ny fanafihana, namoaka vava izy fa tsy maintsy ho vonoiny ity farany. « Amin’izay izahay samy tsy manana rehefa tsy hanaiky hatramin’ny farany izy», hoy ny filazan’i Tetefa, araka ny tatitra nataon’ny fianakaviana hatrany.
Sajo/Tsiferana R.




