Naiditra vonjimaika am-ponja ny olona efatra, mikarama amin’ny fanodinana sy famarotana horonantsary mamoafady amin’ny internet. Mampiasa sy manararaotra vehivavy sahirana izy ireo.
Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana, afakomaly, ny raharaha mahakasika ny fampiasana vehivavy manao asa mamoafady ao anaty internet teny Alasora. Naiditra am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny olona efatra voasaringotra amin’izany. Tompon’antoka ny vehivavy roa sy lehilahy roa.
Tsiahivina fa tra-tehaky ny Polisim-pirenena tetsy Ambatomalaza Alasora, ny 16 avrily 2026, lasa teo, ny tambajotra iray. Mampiasa sy manararaotra vehivavy maromaro hanao fihetsika mamoafady amin’ny alalan’ny fampiasana internet izy ireo. Amidy amin’ny teratany vahiny ny horonan-tsary vita.
Tokony hahazo 50 dolara ny vehivavy iray manao izany. Mila mahavita horonantsary mamoafady manodidina ny 20 minitra eo ho eo. Izay no vontoatin’ny fifanarahana nataon’ ny mpampiasa sy ny vehivavy mpiasa. Zara raha mahazo 10 dolara na manodidina ny 80 000 Ariary isan-kerinandro anefa izy ireo, araka ny fanazavana voaray.
Giazana ny pasipaoro
Ankoatra izay, giazan’ny mpanararaotra sy ny mpampiasa azy ny antontan-taratasy toy ny pasipaoron’ny vehivavy. Taratasy ilaina amin’ny fanokafana kaonty amin’ny internet. Rarany tsy mahazo mifandray amin’ny fianakaviany izy ireo. Tsy mahazo mivoaka ny trano mandritra ny fotoam-piasana sy fe-potoana maharitra anaovana ny asa. Misy ny rahonana ho faty raha minia mandà ny fepetra.
Fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra no nahafahana nisambotra ny olona tompon’antoka. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny asa mamoafady sy fiarovana ireo olona marefo. Enjehin’ny lalàna ny fampiasana sy fanaovana asa mamoafady tahaka izao. Entanina hatrany ny olom-pirenena tsirairay mba hitoroka raha mahita trangan-javatra mampiahiahy, hahafahana misambotra ny olon-dratsy.
Mino




