Nisongadina ilay Malagasy mpilaravinahitra any Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, ny alarobia lasa teo, nandritra ny fihaonan’ny BFC Preussen, kliobany amin’izao fotoana sy ny Herthazehlendorf 03, ekipany teo aloha. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro faha-30, fifanintsanana Diviziona fahefatra any an-toerana. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa 3 no ho 2, ry Bolo. Izay ity Malagasy mpilaravinahitra ao amin’ny BFC Preussen ity vao nahatafiditra baolina ho azy, tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity.
Raha hiverenana ny lalaon’ny roa tonta, efa nitarika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Herthazehlendorf, na dia ry zareo BFC Preussen aza no nanokatra ny isa voalohany tamin’ny alalan’ny “penalty” an’i Lenny Stein. Nanova zavatra tanteraka ny fidiran’ i Bolo, teo amin’ny fidirana faharoa, vitany ny nanasahala ny isa ho 2 no ho 2, ny minitra faha-78. Rehefa nanindry tanteraka ry Kanto Fitiavana sy ny namany, dia tafavoaka mpandresy, rehefa nahafaty baolina i P Khun, ny faha-88 min.
Fitia Randria




