Hetsika ara-panatanjahantena : Manasongadina ny federasionina

Tanterahina etsy amin’ny Kianja Barea, maharitra telo andro, ny fankalazana ny andiany fahefatra amin’
ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena sy ny « Salon national des sports ». Tonga nanokatra izany ta­min’ny fomba ofisialy, omaly, ny mpanolotsaina avo, ny
Jly Zafitasondry Ranoelson Marcellin. Nambarany tamin’ny lahateny fa manampy be dia be amin’ny fifehezan-tena ny fanatanjahantena, indrindra amin’ny sehatry ny asa.
Ny minisitry ny Fanatanja­hantena, Rasambany Alain Désiré, kosa dia nanamafy fa tafiditra tanteraka amin’ny politikam-panjakana ato anatin’ny Fanavaozana ny fanomezan-danja ny tanora sy ny atleta.
Entina manamarika ny hetsika, misy ny fampirantiana isan-karazany ataon’ny federasionina isanisany sy ny mpiara-miombon’antoka ary ny minisitera. Anisan’ny niavaka, omaly, ny fampirantiana ny fiarabe iray, natokana ho an’ny mpilalao baolina kitra, Barean’i Madagasikara. Fiara natolotry ny federasionina malagasin’ny baolina kitra, tarihin’ny filohany, Andrimanampisoa Alfred.
Teny filamatra noraisina tamin’ny fankalazana ny «Fa­natanjahantena mampifandray ny rehetra, manala ny sakana mba hifandray ».

Randria

Partager sur: