Araka ny filankevitry ny minisitra, ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nankatoavin’ny fitondrana ny saran’ny fampitana mivantana ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja baolina kitra «Mondial 2026». Fihaonana hatao any Canada sy Mexique ary Etazonia, ny 11 jona ka hatramin’ny 19 jolay ho avy izao.
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny hetsika amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Fantanjahantena. Samy tazana nametraka ny tranohevany teny an-kianja avokoa ireo federasionina ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara. Nanokatra izany, teny an-toerana, ny Mpanolotsaina avo misahana ny fanavaozana. Nanatrika izany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désiré.
Hotanterahina ao amin’ny Kianja Complexe Mahajanga, ny 25 avrily hatramin’ny 3 mey izao, ny fifaninanana nasionaly, dingana voalohany, sokajy N1A, ho an’ny faritra Avaratra. Omaly no nanaovana ny fivoriana ara-teknika ho an’ity fifaninanana ity.




