Hiady ny tapakila ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, faritra faha-4, taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara.
Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ny faritra faha-4 amin’ny taranja tsipy kanetibe, olon-telo miaraka, lehilahy, i Madagasikara. Fifaninanana hotanterahina atsy Maurice, ny 27 avrily – alahady 3 mey 2026. Hanana ekipa roa i Madagasikara, hahitana mpilalao efatra avy. Omaly no namoaka ny anaran’ireo voafantina tao anatin’ny tambajotran-tseraserany ny federation sport-boule malagasy (FSBM).
Mpilalao avy eto Madagasikara ny 7 dia Rakotomalala Herizo Mahandry, avy amin’ny Besady +. Efa tompondaka lefitra maneran-tany, sokajy “junior” ny taona 2021 izy. Eo koa Rakotomamonjy Celestin (Kelly) avy amin’ny C2BA Vakinankaratra; Andrianasolo Hariliva Zonandrianina (Ram’s) sy Rakotomanana Olivier (livakely). Izy mirahalahy ireto izay samy mpilalaon’ny CBC avokoa. Manampy izay Rakotomanga Barinirina Claude Joseph Edmond (Daddy), avy amin’ny SBA Ambohimahasoa sy Randriaharimanana Onjalalaina René, mpilalaon’ny UBMT izay efa niatrika fifaninanana iraisam-pirenena fahiny ary Andriamahandry Tafita Angelo Mickael (PFAM Ambohipo). Ny iray mpilaravinahitra mipetraka atsy Maurice dia Randrianirina Rindra Hasiniaina (Lava basy).
Anisan’ny masontsivana nifantenana azy ireo ny tanjaka sy ny fahaizana, amin’izao fotoana izao. Teo koa ny tsy fiovaovan’izany toe-batan’izy ireo izany. Tsiahivina fa firenena 7 no hiady ho lohany ao anatin’ny faritra faha-4 dia i Maurice, Comores, Kenya, Djibouti, Seychelles, Maldives ary i Madagasikara. Hanana ny lanjany ity fifaninanana ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny tena fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2026. Raha tsy misy ny fiovana, hanainga ny alahady ho avy izao ny delegasiona malagasy.
Tompondaka




