Voaroba ny volabe an-tapitrisa : Mpivady novelesin’ny fito lahy nisaron-tava tamin’ny “bois ronds”

Voa teo amin’ny lohany, taorian’ny daroka nataon’ireo olon-dratsy azy, ny raim-pianakiaviana iray sy ny vadiny, tao Verrerie, kaominina Toamasina, omaly maraina. Lasa ny vola 4 tapitrisa Ar.

Jiolahy fito niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Verrerie, kaominina Reni­vo­hitra Toamisana, omaly ma­raina tamin’ny 1 ora. Nitondra hazo « bois rond » misy fantsika ireo mpanao ratsy, araka ny fitantaran’ilay renim-pianakaviana lasibatra. Nampiasa herisetra ireo jiolahy ary nanery azy mivady hanome ny vola. Toeram-pivarotana iray ao an-toerana io niharan’ny fanafihana io. Nodarohan’ireo tsy valahara teo amin’ny hatony ilay rangahy. Tsy afa-nanohitra noho ny hamaroan’ireo olon-dratsy rahateo izy. Ankoatr’io raim-pianakaviana io, noratrain’ireo tsy mataho-tody tamin’ny alalan’ny bois-rond misy fantsika koa ilay ramatoa. Voa teo amin’ny tanany ity farany. Tsy nisy hita ny endrik’ireo mpanao ratsy ireo satria nisaron-tava avokoa, raha ny fanazavana voaray avy any Toamasina.

Vola 4 tapitrisa Ar

Voatery nanome ny vola rehetra tao aminy izy mivady noho ny fanerena niampy fampitahorana nataon’ireo jiolahy. Lasa ny lelavola mitetina 4 tapitrisa Ar. Nanararaotra nandositra avokoa ireo mpandroba taorian’io asa ratsy io. Tsy nisy sahy nanohitra intsony izy mivady satria natahotra ny ho very aina vokatry ny sotasotan’ireo jiolahy. Nitsabo tena teny anivon’ny hopitaly avy hatrany ny naratra tamin’ity fanafihana ity.Velon-taraina amin’ny hafitsok’ireo jiolahy ny ankamaroan’ny mponina ao Toamasina. Etsy ankilany, mitohy ny asan’ny mpitandro filaminana amin’ny famongorana ireo tsimatimanota sady mpambotry vahoaka amin’ny fanaovana halatra sy vonoan’ olona ao an-toerana.

Sajo/Tsiferana R.

Partager sur: