Lasa lavenona avokoa ireo tranomanara miisa telo, hany sisa nijoro nihazona ny lazan’ny Rovan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alahady 26 avrily, tamin’ny 11 ora. « Mpiambina no miandraikitra io toerana io saingy tsy miasa alina izy », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo. Efa nihidy ny vavahady tao amin’io toerana manan-tantara io, saingy ahina ho nisy olona mpisompatra niditra. Nanomboka nirehitra ny afo tamin’ny 11 ora alina ary efa nahazo ireo toerana saropady tao anatin’ny faritry ny Rova. « Nopotehina mialoha ny fandorana ny Rova ireo tsangambato », araka ny loharanom-baovao, taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ ny Kolotsaina sy ny serasera ary ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Loharanom-baovao hafa milaza fa notàna fady ity iray amin’ireo tendrombohitra 12 nanjakan’ireo mpanjaka teto Imerina ity. « Taorian’ny fitoriana voaray, miroso avy hatrany amin’ny fanantanterahana fanadihadiana izahay mpitandro filaminana », hoy ny kapiteny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo. Tsy misy hatramin’ny fotoana nanoratana ny olona ahina na efa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’io fahamaizan’ny Rovan’Ambohidratrimo io. Raha tsiahivina, efa niharan’ny firehetana io Rova io ny taona 2015.
Tsiferana R.




