Fandefasana mpiasa any Maorisy : Lehilahy iray naiditra vonjimaika am-ponja

Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ny lehilahy iray, tompon’antoka amin’ny fandefasana mpiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Nahazoany vola amina tapitrisany maro izany.

Niakatra teny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana tetsy Anosy, omaly, ny lehilahy iray mpisoloky, milaza fa afaka mandefa olona hiasa any amin’ny Nosy Maorisy. Naiditra vonjimaika am-ponja, ny tenany taorian’izay. Efa nahazo vola amina tapitrisa maro izy tamin’izany asa ratsiny izany. Voasam­botra, afakomaly, te­ny amin’ny seranam-piaramidina Ivato, ny tenany. Nikasa hitsoaka any ivelan’i Mada­gasikara, saingy izao tratra izao. Efa maro rahateo ny olona nitory azy, nahatsiaro voafitaka sy voasoloky tamin’izany, raha ny vaovao navoakan’ny inf­luenceur Makoukou.
Manao recrutement amin’ny fandefasana olona miasa any amin’ny Nosy Maorisy izy. Maro no liana sy manatona azy ireo sy manatitra ny antontan-taratasy. Mahatratra hatramin’ny 700 isa ireo olona voasarika tamin’izany. Akan’ izy ireo vola manodidina ny 1 hatramin’ny 3 tapitrisa ariary ny olona tsirairay. Tafakatra hatramin’ny 5 tapitrisa ariary mihitsy aza izany, raha ny fana­zavana voaray.

Manao taratasy hosoka

Olona 10 amin’ireo 700 isa ireo ihany no voaray sy voafidy mandeha any amin’ny Nosy Maorisy. Manao taratasy hosoka maro ho an’ireo olona ireo ity lehilahy ity sy ny mpiray tsikombakomba aminy. Ankoatra izay, mbola iharan’ny fanararaotana ara-nofo amin’io lehilahy voasambotra io ihany koa ireo ankizy vao mandeha any ivelany. Fanan­devozana tanteraka no miandry ireo olona ireo rehefa tonga any. Miafara amin’ny tsy fahazoana karama mihitsy aza izany. Mandoa 3 tapitrisa ariary aminy ihany koa ireo manam-pikasana hody.
Marihina fa manodidina ny 21 ireo mpiasa, Malagasy, tsy hita ao Stanley, ao amin’ny Nosy Maorisy, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Asa, ny fampananan’asa sy ny asam-panjakana. Voamarina fa tsy nisy voina na loza nihatra tamin’izy ireo ary heverina fa mbola ao amin’ny Nosy Maorisy ireo teratany malagasy ireo. Miantso ireto farany hanatona ny masoivohon’i Madagasikara any an-toerana ny minisitera mba hahafahana manoro azy ny tokony hatao sy ho fiarovana azy amin’ny ambana mety hitranga.

Mino

Partager sur: