Mois : avril 2026

Sava : Fahazoan-dalana hanondrana lavanila

Asa vitan’ny fitondrana Fanavaozana tato anatin’ny fotoana fohy, tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana ny fanafoanana ny ampihimamba. Nilaza ny minisitra Andriamadison Haingotiana, omaly, tany Antalaha, fa mahatratra 324 ny fahazoan-dalana nozaraina, ankehitriny, raha 90 monja izany, nandritra ny fitondrana teo aloha. Notsorin’ny filohan’ny kaoperativan’ny mpamboly lavanila, fa « tsy […]

Omnis : Tsy maintsy amidy eto an-toerana ny solika any Tsimiroro

Rafi-panjakana miahy ny fitrandrahana akoranafo stratejika ny Omnis. Teren’ny fehezan-dalàna mifehy ny solika, hamatsy ny tsena anatiny ny kaompania, toy ny Madagascar Oil, mitrandraka any Tsimiroro. Nampahatsiahy ny fehezan-dalàna 96-018 ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo stratejika (Omnis), ny tale jeneraly, ny général de Brigade Andria­ntaolo Tsilavonjato Honoré, omaly. Voalaza […]

TSELATRA

Lehilahy efatra, malaza ratsy amin’ny fanendahana sy harom-paosy, voasambotry ny polisy, tetsy amin’ny tsenan’Anosibe, ny 27 avrily 2026 tamin’ny 9 ora maraina. Raha ny fantatra, efa mpamerin-keloka sy efa nigadra matetika noho io asa ratsy io izy ireo. Mitondra hareza sy paingotra izy ireo mandritra ny asa ratsy ataony. Omby […]

Antsalova: Raim-pianakaviana maty voatifitra

Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo ny raim-pianakaviana iray, tao Ambaravarantany, kaominina sady distrikan’Antsalova, faritr’i Melaky, ny 27 avrily teo. Miala 2 km mivoaka ny tanàna io toerana nifanenan’ny dahalo tamin’ny olona nanaovany herisetra io. Roa lahy no lasibatra tamin’izany, araka ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana. Tsy […]

Mahamasina : Voaroba ny solosaina tao anaty fiara

Novakian’ny olon-dratsy ny fiara iray nipetraka teo Mahamasina, omaly maraina tamin’ny 8 ora sy sasany. Najanon’ny tompony fotoana vitsy monja teo amin’io toerana ampitan’ny Kianja Barea, ny fiara. Nihidy avokoa ny varavarana rehetra. Nanararaotra anefa ireo tontakely ka novakiny ny fitaratr’ilay fiara nipetraka teo amoron-dalana. Nalainy ny solosaina tao anatin’io […]