Trano iray nirehitra tampoka vokatry ny fifampikasohan’ny herinaratra teny Ambohimanarina, omaly. Voafehy tao anatin’ny minitra vitsy ny firehetana noho ny fahatongavan’ny ekipan’ny sampana mpamonjy voina. Tsy nisy aina nafoy. Notanana vonjimaika am-ponja ireo mpiasa roa avy eo anivon’ny orinasa Jirama tao Miarinarivo Itasy, ny 4 avrily teo. Nanome taratasy hosoka […]
Mois : avril 2026
Ambohidratrimoanala-Andriampamaky: Fatim-behivavy mampiahiahy tao an-trano
Nisehoana trangam-pahafatesana mampiahiahy tao amin’ny tokantrano iray, ao Ambohidratrimoanala, any Andriampamaky, distrikan’i Manjakandriana. Afakomaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany no nahary antso mahakasika izany ny mpitandro filaminana. Nisy ny fidinana ifotony, nataon’ny zandary sy ny mpitsabo avy amin’ny CSB 2. Hita tamin’izany ny fisian’ny razana efa mihorirana […]
Nifanenjehan’ny polisy : Mpangalatra vy maty voatifitra
Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo jiolahy roa lahy nifanenjehan’ny polisim-pirenan tao amin’ny fiantsonan’ny fiaramanidina Ambalamanasy, Toamasina, ny zoma 1 avrily teo. Tsikaritry ny manodidina ny roa lahy naka vy teo amin’io seranam-piaramanidina io. Niantso ny manam-pahefana ireo nanatri-maso. Tonga ara-potoana ny polisy. Sarona teny am-pandidina vy teo amin’ny ilany […]
Fanafihana teny Ankadinandriana : Vehivavy roa voaolana, lehilahy voatsatok’antsy
Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny fianakaviana iray teny Soamonina, Ankadinandriana. Voaolana ny renim-pianakaviana sy ny zanany vavy. Notsatohana antsy ny lehilahy tompon-trano. Jiolahy iray voasambotra, afakomaly. Voatafika ny tokantrano iray, eny Soamonina, kaominina Ankadinandriana, distrikan’Avarandrano, ny zoma alina lasa teo. Naolan’ny olon-dratsy ny renim-pianakaviana iray 44 taona, sy ny zanany vavimatoa […]




