Mois : avril 2026

Kongresin’ny farmasianina: Entanina ny olona hanjifa ny fanafody tsara kalitao

Nosokafana tamin’ny fom­ba ofisialy omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny kongresy faha-31 ny Federasionin’ny farmasianina eto amin’ny ra­nomasimbe Indianina. Nampi­tondraina ny lohahevitra “fa­ha­salamana sy sakafo: fa­namby ara-panafody, fanavaozana ary fijery vaovao ho an’ny fahasalamam-bahoaka”, izany. Nanasongadin’ny minisitra nandritra ny lahateniny ny anjara toerana lehibe raisin’ny farmasianina eo amin’ny fisorohana ny […]

Fanadihadiana ny Fiainan’ankohonana : Hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana

Nisy ny fampahafantarana ny voka-panadihadiana momba ny toe-piainan’ny ankohonana “MICS 7” nandritra ny taona 2024 sy 2025. Fanadihadiana notanterahin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Instat, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny Unicef, ny Banky iraisam-pirenena ary ny USAID. Anisan’ireo loharanom-baovao manan-danja indrindra, momba ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza ary ny fianakaviana […]

Minisitry ny Mponina sy ny firaisankina: Nanolotra fanampiana ho an’ny sokajin’olona maro ao Toamasina

Feno ny fitsidiham-paritra voalohany nataon’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Rakotoniaina Voahanginirina Cathia, tao Toamasina, ny herinandro lasa teo. Nitondrany ny anjara birikiny avokoa rehefa zavatra maharary ny vahoaka. Nanolotra fitaovana ho an’ireo olona manana fahasembanana, nahitana tehina sy seza misy kodiarana ary karazan-tsakafo maro, izy. Nitohy tao amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Mpitsara vehivavy, amin’ny baolina kitra miisa 28 manaraka fiofanana «cours Ma Feminin», tanterahina eto Antananarivo, izay nanomboka ny 8 avrily lasa teo. Mitarika izany, ilay kamerone Raphael Evehe Divine, Instructeur technique sy ilay tonizianina, Maroua Hannachi Instructeur Physique. Haharitra hatramin’ny alahady 12 avrily ho avy izao, izany.

Muay Thai – Queen of the Ring : Gasy roa mifaninana any Maorisy

Hotanterahina anio 11 avrily, any Maorisy, ao amin’ny Kianja mitafo Phoenix, ny fifaninanana Muay thai Gala “Queen of the Ring”. Tsy diso anjara amin’izany i Madaga­sikara fa manana solontena hiaro ny voninahi-pirenena. Malagasy mpikatroka roa vavy no efa any an-toerana hiatrika izany. Misy an’i Faniriantsoa Voary, eo amin’ny sokajy Senior […]