Mirongatra ny trangana fanafihana mitam-piadiana any amin’ny faritr’i Toamasina tato ho ato. Notafihin’ny jiolahy mirongo fitaovam-piadiana indray ny lehilahy iray nikasa hanatitra vola tao amin’ny banky ao an-toerana ny sabotsy 4 avrily 2026, tamin’ny 9 ora maraina, lasa teo. Voaroban’izy ireo, tamin’izany, ny vola mitetina 17 tapitrisa Ar sy ny […]
Mois : avril 2026
Fikaonandoham-paritry ny polisy: Tanjona ny hametrahana fandriampahalemana maharitra
Tontosa teny amin’ny Lapan’ny Teny tonga nofo Ambatobe, omaly, ny fikaonandoham-paritry ny Polisim-pirenena eto Analamanga. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra izany. “Ahoana ny endriky ny Polisim-pirenena amin’ny taona 2036”, io ny lohahevitra nodinihina nandritra izany. Natao hanamafisana ny rafitra sy ny politikan’ny fitandroana filaminana maharitra […]
Feo Gasy: Ho mpikambana i Rado
Heno sy hita anatin’ilay rakitsarin’ny «Voronkely hary elatra » an’ny tarika Feo Gasy i Rado Rajaonarison. Zanak’i Fafah Mahaleo izy ary anisan’ireo mandrafitra ny Mahaleo Taranaka. «Izay aho vao tafaraka tamin’i Rado fa tena latsa-dranomaso aho tamin’ny fandraisam-peo. Nandimby an-drainy izy na amin’ny feo na ny maha olona. Mino aho fa […]
« Guitares de Madagascar » : Tafaraka an-tsehatra i Teta sy i Chrysanto
Tafaraka ny samy andrarezin’ny fitendrena gitara. Hiray sehatra i Teta sy i Chrysanto. Samy nitrandraka zavatra maro momba ny gitara sy ny hira malagasy. Fampisehoana tsy fahita firy. Teta sy Chrysanto, samy havanana amin’ny fitendrena gitara. Samy nanao fikarohana lalina momba ny fampiasana sy famolahana ity zavamaneno vahiny ity ho […]
INDRAY MIJERY
Nahavita fiofanana ireo mpanabe olon-tsahala (JPEU) eny amin’ny oniversiten’Antananarivo. Mpianatra 140 no niofana nandritra ny hateloana momba ny ady amin’ny fanilikilihana mifandraika amin’ny VIH/Sida eny amin’ny tontolon’ny oniversite. Hanentana sy hanao fitiliana ny tsimokaretina izy ireo ka hanomboka amin’ny fanentanana ny mpianatra eny amin’ny lalam-piofanana samihafa ny asa. Nanohana ny […]




