Notanterahina ny herinandro teo ny hetsika fanadiovana sady fanohanana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny asa tanamaro (Himo) teto an-dRenivohitra. Niompana amin’ny fanadiovana lakandrano izany. Mirefy 15 000 m ny halavan’ny lakandrano nodiovina amin’ireo boriborintany enina. Anisan’izany ny eny Andohatapenaka II , Androndra Ampamantanana, Ankatso, Antanimora, Ampasanimalo, Ambohipo, Mandroseza Ankazomanga, Andranomahery, Ankorondrano, Anosibe Ouest II, […]
Mois : avril 2026
Handball – Mada sokajy zandriny : Hitiliana ireo hanao IHF Trophy
Notontosaina nanomboka ny asabotsy lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Ankoay Ankorondrano, ny lanonana fanokafana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, sokajy zandriny, Cadet ary Juniors, lehilahy sy vehivavy. Hanana ny lanjany ity fifanintsanana ity. Mandritra izany no hanaovan’ireo teknisianin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH) ny fifantenana ny ekipam-pirenena Akio, sokajy zandriny. […]
Volley-U19: Tompondaka ny MVBC sy ASI
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, latsaky ny 19 taona, lahy sy vavy, taranja Volley-ball. Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy vehivavy ny ekipan’ny MVBC Boeny, rehefa nandavo ny GNVB Analamanga, tamin’ny seta 3 no ho 1. Azo lazaina ho nahavita […]
« RUGBY AROI 2026 » : Tsy nisy nivoaka teto Madagasikara ny amboara
Norombahin’ny Makis avokoa ny amboara rehetra nandritra ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indiana, « Aroi », sokajy U16, lehilahy sy ny U18, lahy sy vavy. Fahombiazana no azon’ny ekipam-pirenena malagasy Makis nandritra ny fifanintsanana Rugby aty amin’ny ranomasimbe Indiana «Aroi», ho an’olona fito. Hetsika izay natao tetsy Andohatapenaka, ny faran’ny herinandro teo. […]
VAOVAO TAMBATRA
Maherin’ny 1 tapitrisa ireo hisitraka mivantana ny tombontsoa avy amin’ny “Programme intégré d’assainissement d’Antananarivo 2” (PIAA 2). Tetikasa miompana amin’ny fanamboarana ny lakandrano hisorohana ny tondradrano amina faritra maro eto an-drenivohitra. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo ny dingana voalohany amin’ny tetikasa. Hanombohana azy ny eo Analakely, Antanimena ary […]




