Mois : avril 2026

Tenisy – WTA 125 K : Resin’i Lilli Tagger i Tiantsoa Sarah

Niatrika fifaninanana amin’ ny taranja tenisy indray ilay Malagasy mpilalao tenisy mi­zaka ny zom-pirenena frantsay, Rakotomanga Tiantsoa Sarah. Omaly, nifaninana tamin’ny WTA 125 K, natao tany ST Malo, ny tovovavy. Resy teo amin’ny dingana ampaha 16-ndalana izy. Lavon’ilay aostralianina, i Lilli Tagger. Nion­drika tamin’ny seta 2 no ho 0 (6/0 […]

SOMBIM-BAOVAO

Nahatafiditra baolina telo i Fenohasina Gilles, Malagasy mpilalaon’ny AL Merrik. Io baolina tafiditr’i Feno io no nahazoan’ny AL Merrik, ekipa sodaney, fandresena, 3 no ho 0, teo anatrehan’ny Bugesera, nandritra ny fifanintsanana roandey “Rwanda Premier League”. Niampy isa telo indray ny isan’ny Al Merrik ao amin’ity fifanintsanana ity ka mitana […]

MB2ALL-Coach Ndranto: “Fanazarana lalao no himasoana aloha”

Nisy ny fanavaozana teo amin’ny mpilalaon’ny MB2ALL Analamanga, tamin’ny fiatrehana ny N1A natao tany Antsi­rabe. Mpilalao 3 vaovao no nampiakarina N1A ary mbola latsaky ny 23 taona ny ankamaroan’ireo niatrika izany, ho an’ny MB2ALL. Nambaran’ny Coach Rakotonanahary Ndranto, fa somary mafimafy ny nameno ireo mpilalao 7 tsy teo, saingy tsara […]

Pureplay Football League (PFL) : Tsy ho raikitra ny lalaon’ny Tsaramandroso FC sy ny Ajesaia

Anisan’ireo klioba mbola manana herijika hiatrika ny “Playoff” amin’ny fifaninanam-pirenena PFL ny Tsaramandroso Formation Boeny, raha mahita fandresena telo amin’ireo lalao telo farany hataony. Raha tsy misy ny fiovana farany amin’ny lalaon’ny Tsaramandroso FC Boeny sy ny Ajesaia Bongo­lava, izay hatao anio, etsy Iavoloha. Tsy manaiky ny hampiantrano ny Ajesaia […]

Hazakazaka ho an’ny Firaisankina : Nandray anjara ny kolonely Rampanarivo Thierry

Tontosa ny 24 avrily ka hatramin’ny faran’ny herinandro teo, ny fankalazana ny andiany fahefatra momba ny Andro iraisam-pirenena sy ny seho nasionaly, andiany faharoa, ho an’ny fanatanjahantena teto Mada­gasikara, nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS). Haza­kazaka ho an’ny Firai­san­kina na “Course de la solidarité” no namaranana izany, ny faran’ny […]