Mois : avril 2026

Ahina ho nodorana : May ny Rovan’­ Ambohidratrimo

Lasa lavenona avokoa ireo tranomanara miisa telo, hany sisa nijoro nihazona ny lazan’ny Rovan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alahady 26 avrily, tamin’ny 11 ora. « Mpiambina no miandraikitra io toerana io saingy tsy miasa alina izy », hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria Ambohidratrimo. Efa nihidy ny vavahady tao amin’io toerana manan-tantara io, […]

Dokotera Rakotomalala Edmond : Nanolotra toby ho an’ny zandary

Notokanana ny 24 avrily lasa teo, tany Ambo­hima­fana, kaominina Miarinavaratra, distrikan’i Fan­driana, ny fitokanana ny toby vaovao ho an’ny zandarimariam-pirenena. Birao sy toeram-ponenana, mitentina 2 miliara sy 180 Tapitriasa Ar, avy amin’ny dokotera Rako­tomalala Edmond na i Ra-Edmond ED1. « Volako madiodio, valim-pitia ho an’ny tanindrazana no nanaovako azy io. […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana, ny minisiteran’ny Fampianarana Ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisan’ireo mpisehatra lehibe amin’ny fikarohana momba ny tontolo iainana eto Madagasikara izy ireo. Miara-miasa ihany koa amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy hanatanteraka ny hetsika mitondra ny lohateny hoe: […]

Hisorohana ny areti-mifindra : CSB 1 000 nisitraka fitaovana

Nanome fitaovana ilain’ireo tobim-pahasalamana ma­ne­rana an’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny tetikasa MCGL, i Etazonia. Nahitana lamba azo averina ampiasaina hisorohana ny areti-mifindra, ho an’ny tobim-pahasalamana fototra (CSB) miisa 1 000 izany. Manampy izay ny lamba tsy afaka averina ampiasaina ho an’ny hopitaly miisa 35 miampy ireo fitaovana natolotra. Eo koa ny fitaovam-piasana […]

Cité Ambohipo : Naato ireo fanorenana tsy ara-dalàna

Manohy ny asa fampitsaharana ireo fanorenana tsy ara-dalàna ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Naato avy hatrany ireo trano miorina tsy manana fahazoan-dalàna eny Ambohipo, izay tafiditra ao anatin’ny faritra fonenan’ny mpianatra, omaly. Nandritra ny fidinan’ny filohan’ny delagasionina manokana teny Ankatso sy Ambohipo, ny zoma lasa teo, no nahitana ireo fanorenana tsy […]