Mois : avril 2026

Fifindra-monina antsokosoko : Olona 33 mianadahy saika ho any Mayotte

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana tao Antsiranana ny Malagasy 27 sy vahiny miisa enina saika hiondrana antsokosoko ho any Mayotte. Tazomina ao amin’ny biraon’ny zandary izy ireo hatramin’izao. Olona miisa 33 mianadahy saika hiondrana antsokosoko any Mayotte nosamborin’ny zandarimaria miasa eo anivon’ny vondron-tobim-pileovana Antsiranana, ny 30 marsa lasa teo. Nitoby tamin’ny […]

Coliseum ; Tarika malaza 10 hifandimby

« Revy be pro max ». Izay ny lohatenin’ilay fampisehoana goavana hotontosaina etsy amin’ny Coliseum, ny alatsinain’ny Paka izao. « Io no fety goavana indrindra eto Antananarivo sy ny manodidina amin’io. Nosafidiana manokana ho ireo mpanakanto malaza tena andrasan’ny maro no hampiarahina ao », hoy ny nambaran’i Tantely Ralalarison, avy ao amin’ny Live Prod, […]

200 taona ny Trano Printy FJKM : Hanatanteraka « Antsa Paska » ny Chorale Orimbato

Tafiditra ao anatin’ny fampahafantarana ny tantaram-pirenena sy ny tantaran’ny fiangonana. Ho fankalazana ny Paska rahateo. Toy ny fanaony isan-taona, hanatanteraka ny « Antsa Paska » ny Chorale Orimbato. Manamarika ny faha-200 taonany ny Trano Printy voalohany teto Madagasikara izay an’ny Fiangonana FJKM. « LMS Printing House » ny anarany tamin’izany. Tonga teto Mada­gasikara, ny […]

Faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana : Ahina hiverina ny tsy fanjarian-tsakafo

Ny herinandro ho avy izao, hidina any amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ny fitondram-panjakana, amin’ ny alalan’ny BNGRC, ny minisiteran’ny Mponina, ny mini­siteran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ofisim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (ONN) ary ireo mpiara-miombon’antoka. Hitondra fanampiana ho an’ireo olona izay ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy tsy fahampian-tsakafo izy ireo. […]

Tsy fanjarian-tsakafo ; Nankatoavina ny fandaharam-piofanana

Nisy ny atrikasa fankatoavana ny fandaharam-pampiofanana momba ny fitsaboana sy fanentanana ho an’ireo ankizy tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo. Teny amin’ny foiben-toeran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tamin’ity herinandro ity, no nanatanterahana izany. Tanjon’ny tahirin-kevitra enti-manofana ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpia­san’ny fahasalamana. Eo koa ny fanatsarana ny fahaizan’ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony. Tafiditra ao koa […]