Hotanterahina amin’ny faritra 11 (Analanjirofo, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Fitovinany, Melaky, Menabe, Sofia, Vatovavy, Vakinankaratra), hatramin’ny taona 2029, ny tetikasa East Africa Girls Empowerment and Resilience (Eager). Hanabe sy hanamafy ny traikefa arak’asa sy hanome asa ny vehivavy izy io. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-manaony ka hitondrany ny […]
Mois : avril 2026
Trafika harena voajanahary : Lehilahy iray nosamborina teny amin’ny seranan’Ivato
Malagasy iray, anisan’ny atidoha mpikotrika fitrandrahana antsokosoko harena voajanahary no tra-tehaka teny amin’ny seranan’Ivato. Efa ela nokarohina izy ity amin’ny resaka fandikan-dalàna. Anisan’ny mpitarika tambajotran-jiolahy mpitrandraka sy mpanondrana antsokosoko harena voajanahary ity lehilahy ity. Anisan’ izany ny sokatra, ny raharaha famotsiam-bola sy kolikoly. Voasambotra teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny […]
Fanamboarana basy: Lehilahy roa naiditra am-ponja
Naiditra vonjimaika am-ponja, ny 31 marsa 2026 lasa teo, ireo lehilahy miisa roa, taorian’ny fampiakaran’ny fampanoavana ny raharaha teny anivon’ny fitsarana. Tompon’antoka tamin’ny fihazonana sy fanamboarana basy vita gasy izay tsy ara-dalàna tany Atsimontsena, Tsiroanomandidy, izy ireo. Raha tsiahivina, nahatrarana fitaovam-piadiana (basy) mahery vaika maro karazana tao amin’ny tokantranon’olona iray […]
Ambatofinandrahana : Olona 89 tratran’ny fahapoizinana
Notazomina ao amin’ny hopitaly, manaraka fitsaboana, ny 15 tamin’ireo olona 89 tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao Ambatofinandrahana, omaly. Nihinana sakafo masaka tao amin’ny fiangonana iray ao an-toerana ireo olona ireo, ny alahady 29 marsa lasa teo. Taorian’io, nanomboka nirohotra nihazo ny toeram-pitsaboana ireo olona voalaza fa nihinana « composé ». Noraisin’ny mpitsabo an-tanana […]
Nifamonjena saingy tsy avotra: Zazavavy 2 taona latsaka tanaty rano namoy ny ainy
Nifamonjena tao anatin’ny dobo fanondrahana voly, namoy ny ainy, ny zazavavy iray vao 2 taona sy 3 volana monja, tao Ankazobe, ny talata 31 marsa teo. Vatana mangatsiakan’ilay zazavavy vao 2 taona monja hany sisa azon’ny fianakaviany tao anatin’ny dobo iray, tao amin’ny fokontany Antsampanimahazo, kaominina Miantso, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Nentin’ny […]




