Nisy nitory eny anivon’ny Bianco ny filohan’ny oniversiten’ny faritra Itasy. Maromaro ny anton’izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany fitoriana izany ny fisandohana andraikitra sy fiahiahiana fanodinkodinam-bola hatrany amin’ny dimy tapitrisa Ariary. Manampy izany koa ny nakana fiarabe miisa efatra, tsy nifanaraka amin’ny dingana ara-dalàna tokony harahina. Mifandraika amin’izany […]
Mois : avril 2026
Rugby – AROI 2026 : Hanana solontena roa isan-tsokajy ny Makis
Hotanterahina eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny zoma sy ny sabotsy ho avy izao, ny fiadiana ny amboaran’ ny ranomasimbe Indianina, taranja Rugby lalaovin’olona fito. fifaninanana karakarain’ny Aroi. Natokana ho an’ny tanora latsaky ny 16 taona na ny U16 sy ny U18 ny fifanintsanana. Ahitana solontena malagasy roa avy izany. […]
Basikety-Tanà Ville : Tompondakan’ny N1B ny Lucadro sy ny NBE
Tontosa ny alahady 29 marsa lasa teo, teny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, ny famaranana teo amin’ny sokajy N1B, anivon’ ny seksiona Antananarivo Renivohitra. Voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny Lucadro, teo amin’ny sokajy vehivavy, raha toa ka ny NBE kosa ny teo amin’ny sokajy lehilahy. Avo lenta ireo lalao famaranana raha ny […]
Baolina kitra maneran-tany : Rendrika Italie, firenena 4 vaovao hiatrika ny «Mondial 2026»
M-3 amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026” baolina kitra, anio. Tontosa avokoa ireo lalao sakana ary efa fantatra ireo firenena 48 hiady lohany amin’ity. Nahatafita firenena 10 i Afrika. Ekipa goavana tsy tafita i Italie. Taorian’ny lalao sakana ny talata lasa teo, fantatra avokoa ireo firenena rehetra tafita […]
Fanavaozana vola: Eo am-pamakafakana ny safidy ny BFM
Manohy ny fifampidinihana amin’ny vahoaka momba ny fanavaozana ny vola Ariary ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisy ny fihaonana natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny talata teo, taorian’ilay efa natao teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny 23 marsa. Tanjona ny hanangona ny hevitry ny mpampiasa vola mba handrafetana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny […]




