Mois : avril 2026

Foara ho an’ny kojakojam-panadiovana : Maimaimpoana ny fitsidihana tranoheva

Hotanterahina etsy Ma­hamasina, manomboka ny 30 avrily hatramin’ny 2 mey izao, ny «Foire Pro’hygiene – cosmétique». Tsy fahita firy ny hetsika karakarain’ny ZRK Evenement, amin’izao andiany voalohany izao. Hanehoa­na ireo kojakoja samihafa ho an’ny fanadiovana, ny mpisehatra amin’ny fizahantany, ny tontolon’ny endrika amam-bika, ny vokatry ny asa tanana ary koa […]

Sampana Ingénierie minière : Napetraka ny vatofototry ny tsangambato

Nosokafana omaly, tamin’ny fametrahana ny vato fototry ny efitrano vaovao ho an’ny mpampianatra ny fanamarihana ny faha-50 taona nanofanan’ny Ingénierie minière, injeniera momba ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. 800 mahery no nivoaka teny amin’io sampana io ary misehatra amin’ny orinasa goavana eto Madagasikara sy any ivelany ny ankamaroany. Nitondra […]

Hanatsarana ny fampianarana ambony : Nidinika niaraka ny minisitera sy ny sekoly tsy miankina

Niantso dinika tamin’ny tomponandraikitry ny sekoly tsy miankina misehatra amin’ny fampianarana ambony ny mpitantana ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, omaly, teny amin’ny Akademia nasionaly Tsimbazaza. Tanjon’ny fihaonana ny hampahafantarana ny lalàna manan-kery sy ny lamina tokony hatao hijerena ny tsy fetezana samihafa. Afaka nifampihaino ny mpivory […]

TARATRY ny KANTO

Ho vahin’ny tarika Zandry Gasy i Beauzaka, Ralanto, ny tarika Vetsonkira ary Inah. Mandritra ilay seho izay hatao rahampitso, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Mazava ny nisafidianana ireo vahiny, satria efa mpiara-mitsikombakomba tanaty mozika niaraka tamin’ny tarika ireo, nandritra izay 15 taona izay. Na izany aza, hibahana amin’ny seho ireo […]