Mitaky ny hamotsorana ny mpikambana Tim, ny Kly Rabe Jules, ny avy amin’ny fikambanan-drazana Vavea sy ny fianakaviany. Nanao fanambarana izy ireo, afakomaly, tao Toliara. « Mangataka amin’ny mpitondra ny hamoahana azy izahay », hoy izy ireo. Tsiahivina fa nosamborina tamin’ity herinandro ity izy ary tazonina aty Antananarivo. Voatendry ho mpanolotsaina manokana […]
Mois : avril 2026
Fiaraha-miasa : Hanohana ny fikaonandoha ny Japoney
Namaly ny antso fanentanana avy hatrany. Noraisin’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, tetsy amin’ny birao fiasany etsy Antaninarenina, omaly, ny ambasadaoron’i Japon, Tojima Hitoshi. Nambaran’ity masoivoho ity, tamin’izany, fa tafita tsara ny antso sy ny fanentanana nandritra ny fihaonana niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena, afakomaly, teny amin’ny minisiteran’ny […]
Aleo misoroka!
Manomboka mangatsiaka! Efa volon’andro ririnina mihitsy ny eto amin’ny tanàna. Mahazo vahana ny hirifiry vao maraina. Efa hita ihany koa ilay andro tsy mena-mivadika. Tampoka mafana, mampanary lamba. Mazava ho azy fa manaraka izay ny fahasalamam-bahoaka. Mahazo vahana ny kohaka sy ny gripa ary ny fanaviana amin’ny endriny rehetra. Tsy […]
Tohin’ny fihaonan’ny Gen Z sy ny praiminisitra : Navoaka sy atao andrimaso i Herizo Gen Z
Noraisin’ny Praiminisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo ireo solontenan’ny Gen Z, manerana ny Nosy. Samy nomena anjara fitenenana izy rehetra. Nivaly, omaly hariva avy hatrany. Mbola nitaky ny hamoahana ny namany, voasambotra sy tazonina any amin’ny mpitadro filaminana ireo Gen Z, tamin’ny fihaonana teny Mahazoarivo. Namaly izany ny lehiben’ny governemanta ary […]




