Tsy ho ela, feno 50 taona ny Editions Le Lauréat. Iray amin’ireo edisionina nahavita namakivaky ny olan’ny tontolon’ny rohim-boky. Milaza ny heviny momba izay i Naly Ratsimaholizanany. Dinika nifanaovana taminy. Gazety Taratra (*): Iray amin’ireo edisionina afaka namakivaky taona maro ny « Editions Le Lauréat » naorin-dRatsimaholy Francinet tany amin’ny taona 1978. […]
Mois : avril 2026
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 4 000 Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ny tsenan’Andravoahangy. Nambaran’ireo mpivarotra mpanijara fa ny vidiny eny amin’ny mpivarotra ambongadiny, mpanangom-bokatra mihitsy no mahatonga an’izany. Sady fotoana mahavitsy ny vokatra avy any ifotony, toy ny any Ambohimiadana, Andramasina, Faratsiho, …, satria ambolem-bary ny velaran-tany fambolena izany. Efa tafakatra 6 500 […]
Taom-pamokarana 2026 : Fitaovana maro tsy hahavery ny voka-bary
Araka ny antontanisa ofisialy, very fotsiny ny 15% ny voka-bary eto amintsika. Antony, tsy ampy na tsy misy ny fitaovana sahaza ampiasaina amin’ny fijinjana sy ny fitahirizana ny vokatra. Nosantarina ny 23 avrily teo, ny taom-pamokarana 2026, tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Antsirabe II, faritra Vakinankaratra. Natolotry ny minisiteran’ny Fambolena […]
CNTEMAD: Azo arahina amin’ny finday ny fampianarana
Mirona tsikelikely amin’ny fampiasana ny niomerika ny CNTEMAD. Amin’ny maha «Université virtuelle» azy, manamora ny fampianarana ambony izy amin’ny fampiasana ny teknolojia toy ny finday mba hialana tsikelikely amin’ny fampiasana ny fitaovana teo aloha. «Mampiavaka ity rafitra vaovao ity ny fahafahan’ny rehetra misitraka fampianarana na aiza na aiza misy azy», […]
Tao anatin’ny 20 taona : Miisa 24 799 ny orinasa voasoratra eny amin’ny EDBM
Tsara ny vokatra ho an’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM), nandritra ny 20 taona niorenany. Navaozina ny fomba fiasa amin’ny alalan’ny fampiasana ny « Guichet unique » sy ny niomerika. Vita ao anatin’ny 48 ora ny fananganana orinasa. Mahatratra 24 799 ireo voasoratra. Nanao jery todika sy nampahafantatra ny […]




