Eny, tao amin’ny tarika Njila izy… Fa pejy efa nivalona ela izany, ho an’i Mam’Rakoto. Efa an-taonany maro no nanoritra ny lalany eo amin’ny mozika Andrianjakamamy Rakotoarinia Benjamin, ary misongadina hatrany ireo sanganasany, na dia monina any Frantsa aza ity mpanakanto ity. Porofon’izany, hamoaka ny rakikira « Heriko ianao » i Mam’Rakoto. Vokatra nitondrany aingam-panahy mirona amin’ny ara-panahy, mitazona kosa ny kalitao sy ny fironana ara-mozika nahafantarana azy hatrizay.
Ho fanamarihana ny fivoahan’ny « Heriko ianao », hisy ny seho maromaro hotontosain’i Mam Rakoto, any Eoropa, hanomboka amin’ity volana mey ity. Arahina fihaonana amin’ny mpankafy aty Madagasikara izany, satria nataon’i Mam’Rakoto ho zava-dehibe foana hatramin’izay ny fizarany ny mozika aty an-tanindrazana. I Njaka Andriady no nanakinan’i Mam Rakoto ny rindra ara-javakanton’ny andian-tseho hotontosainy. Hanampy azy koa i Hery Andrianasolo, Malagasy mpanakanto mpanao mozika fanta-daza any ivelany ihany koa. I Haja Rakoto Armand kosa no hiandraikitra amin’ny ankapobeny ny seho rehetra aty Madagasikara.
Tsiahivina fa tany amin’ny taona 1980 no efa nilomano tanatin’ny mozika i Mam’Rakoto, ary ny taona 1989 izy no nifindra monina any France. Mitazona hatrany ny fototra maha malagasy, kanefa mivelatra amina karazana gadona maro izy. Betsaka toa izany koa ny fiaraha-miasany amina mpanakantohafa, malagasy sy vahiny. Izy no nanangana ny tarika Gasy Music, izay niofo ho Mam’Rakoto Quartet.
Zo ny Aina




