Ovaina ny fomba fiasa manomboka izao amin’ny ady amin’ny kolikoly. Hafantoka amin’ny fanenjehana ara-toekarena sy ara-bola izany, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana.
Nitarika ny fivoriana stratejikan’ny Komity mpitarika (Copil) ny fanatanterahana ny Paikadim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly (SNLCC) 2025-2030, teny Mahazoarivo, ny faran’ny herinandro teo, araka ny fampitam-baovao voaray omaly. «Hifantoka amin’ny fanenjehana ara-toekarena sy vola izany ka hohenjehina ireo trondro vaventy”, hoy izy.
Hadisoana ara-toekarena ny kolikoly, ka hanaovana fanadihadiana ara-bola isaky ny misy tranga momba izany.
Anisan’ireo fepetra nankatoavina nandritra ny fivoriana stratejika àry ny fanamafisana ny fanaovana fanadihadiana fananana, ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna, ny fomba fanagiazana fananana tsy anamelohana olona amin’ny tranga manokana… Eo koa ny fametrahana ekipa iraisan’ireo rafitra miady amin’ny kolikoly. Mba hiaraha-mandinika ireo raharaha misy fiantraikany lehibe eo amin’ny toekarena amin’izany, ary ny fifandraisana sy fifampizarana ara-potoana ireo antontan-kevitra sy antontan’isa eo amin’ny samy mpisehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly .
Hampihenana ny vesatry ny vidim-piainana
Tsy tokony ho sakana amin’ny fampiroboroboana ny toekarena ny ady, fa hamerenana ny lanjan’ny toekarena amin’ny fampandrosoana. Eo koa ny fiarovana ny vola miditra amin’ny Fanjakana ary ny hampihenana ny vesatry ny vidim-piainana amin’ny vahoaka.
Maro ireo fanarenan-drafitra hatao. Ny ady amin’ny fanagejana fanjakana, ny fanadiovana ny tsenambaro-panjakana, ny fanavaozana ny fepetra famaizana amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana… Mitaky vokatra haingana sy azo refesina mifanaraka amin’ny fanatrarana ny tsy fisian’ny indrafo ny asa hatao manomboka amin’ity taona 2026-2027 ity.
R. Nd.




