Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andraharo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) sy ny Yas Madagasikara. Nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny Federasionina, fa 110 andro izay no nitondrany izany ary efa ela no naniriany hiaraka amin’ny Yas ka izao tafahoana izao. “Santatra izao fa irina ny hitohizany hatrany. Betsaka ny arenina ka ilana fifanampiana sy fifanakalozana”, hoy izy. Nanamafy ny tomponandraikitry ny Yas Madagasikara fa manampy ny fanatanjahantena rehetra, hampahomby ny vinanasa fampivoarana, izy ireo. Anjaran’ny handball indray izao. Ho fisantarana izany, hanohana ny Akio Madagasikara zandriny, lehilahy, “cadet” sy “junior” izy ireo, amin’ny fiatrehana ny “IHF Trophy”, faritra faha-7 tanterahina ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 27 – 31 mey ho avy izao. Firenena 5 no hiady ho lohany amin’izany dia i Madagasikara mpampiantrano, Comores, Seychelles, Mayotte ary La Réunion. Hiatrika ny “IHF Trophy” kaontinantaly, izay tompondaka. Efatra no hifaninana ao amin’ny “cadet” dia i Madagasikara, La Réunion, Comores ary Mayotte. Ho an’ny “junior” indray, i Madagasikara, Mayotte, Comores ary Seychelles. Tsy nandray anjara i Maurice, noho ny olana eo amin’ny federasioniny. Ho tonga amin’ny 26 mey izao ireo delegasionina vahiny.
Tompondaka




