Nahafaty olona ny aretina tazomoka tao amin’ny distrika Antananarivo Avaradrano. Niakatra be ny olona marary ka mila fanaraha-maso akaiky ny fifehezana ny aretina.
Nidina teny an-toerana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny mpandrindra nasionaly ny ady amin’ny tazomoka, ny alahady 17 mey 2026 teo nanamarina ny zava-misy eo anivon’ny hopitaly Anosy Avaratra.
Teny amin’ny fokontany Ambohidrano Andrefana, Beravina ary Antsapandrano ny ekipa rehetra. Nanadihady ny fomba fanaon’ny mponina rehefa tratran’ny tsy fahasalamana. Tena mbola mirona amin’ny fanaovana dokotera tena sy ny fanatonana mpitsabo nentim-paharazana ny mponina any.
Nisy ny fitiliana tazomoka sy fizarana lay misy odimoka natao tamin’ireo mponina manodidina ny toeram-ponenan’ireo marary. Notsaboina avy hatrany ireo marary voatily. Nanao fivoriana adisisika avy hatrany, niarahana tamin’ny sefo fokontany, talen-tsekoly, mpitsabo ara-drazana ny mpanentana ara-pahasalamana eo amin’ny koaminina Sabotsy Namehana, ny alatsinainy faha-18 mey 2026. Ho fampandraisana andraikitra sy anjara ifotony amin’ny ady amin’ny tazomoka no natao. Mitohy isan’andro ny fanaraha-maso ny fiakaran’ny tahan’ny tazomoka eny Avaradrano ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana.
Tatiana A




