Hotanterahina ao Nairobi Kenya, manomboka anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2026), taranja rugby, vehivavy, ho an’ny sokajy «Performance division». Firenena efatra no hiady izay ho lohany amin’izany dia i Kenya, mpampiantrano, miampy ny Springboks, tompondaka farany, miaraka amin’ny Makis Ladies Madagascar ary ny The Cranes Ouganda, ekipa vao niakatra.
Hisantatra ny fihaonana, anio, ny fifandonan’ny Makis Ladies sy ny Springboks. Hanala vela amin-dry zareo Afrikanina tatsimo ny tovovavy malagasy izay efa any an-toerana hatramin’ny alarobia lasa teo. Hatreto, tsy mbola nandresy ny Springboks mihitsy ny Makis Ladies. Nanambara ireo mpilalao fa vonona izy ireo hanohitra ary haka fandresena manoloana ireto andrarezina aty Afrika ireto. Salama tsara avokoa ireo mpilalao ary ambony ny toe-tsaina hoenti-miatrika an’i Afrika Atsimo. Nitsapa ny kianja izy ireo omaly ary niatrika fanazaran-tena avy hatrany.
Manan-danja hatrany ny lalao voalohany toy izao ka tsy atao antsirambina, araka ny nambaran’i Mamy, mpanazatra ny Makis Ladies. Na izany aza, manatombo eo amin’ny traikefa ireo mpilalaon’ny Springboks, noho izy ireo milalao any anaty klioba matihanina.
Ankoatra izay, hifanandrina ny Lionan’i Kenya sy i Ouganda. Heverin’ny rehetra fa hananatombo ny kenyanina noho izy hilalao eo an-kianjany sy manoloana ireo mpijeriny. Ny alarobia 27 mey ny lalao faharoa, ka hifandona i Kenya sy ny Makis Ladies ary i Afrika Atsimo sy i Ouganda. Ny alahady 31 mey ny lalao farany ka Makis Ladies hifampitana amin’i Ouganda ary i Kenya hifanazava amin’i Afrika Atsimo. Ho tompondaka izay mahazo fandresena be indrindra.
Tompondaka




