Hotontosaina ao amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe ny fihaonana miverina eo Disciples FC Vakinankaratra sy ny Fosa Juniors Boeny. Fifanandrinana tafiditra anatin’ny ampahefa-dalana, “Pureplay Football League (PFL)”. Mbola manala vela moa ry zareo Fosa Juniors. Resin’ny Disciples 4 no ho 0 izy ireo, nandritra ny lalao mandroso.
Voahosotra ho tompondakan’i Arabia Saodita ny ekipan’ny Al Nassr misy ilay teratany portiogey, Cristiano Ronaldo. Nahatafiditra baolina roa tamin’ny fihaonan’ny Al Nassr sy Damac izy, afakomaly alina. Araka izany, ity no amboara voalohany azony tany Arabia Saodita. Tsara ny mampahatsiahy fa efa 41 taona i Cristiano Ronaldo, ary efa maherin’ny 950 ny baolina tafidiny.
Tanterahina any Maevatanàna, nanomboka omaly, ary hitohy anio, ny “Ride River Lite Quest 3×3”, taranja basikety. Ny sokajy Seniors, U23, ary U17, lahy sy vavy, no mifaninana amin’izany ka hahazo ny tapakila amin’ny Challenger izay hatao any La Réunion, izay mpilalao mendrika.




