Voahaja ny lojika teo amin’ny lalaon’ny Makis Ladies sy ny Springboks Afrika Atsimo. Mbola maozatra ho an’ny tovovavy malagasy ny mifandona amin’izy ireo. Porofon’izany, nomontsaniny, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 5, ny ekipam-pirenena malagasy.
Tsy mbola afa-bela tamin’ny Springboks Afrika Atsimo ny Makis Ladies, nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, sokajy «Division performance», taranja rugby, sokajy vehivavy. Fihaonana notanterahina ny asabotsy lasa teo, tao Nairobi Kenya. Lavon’i Afrika tatsimo, tamin’ny isa mavesatra 62 no ho 5, ny tovovavy malagasy. Ny Makis Ladies nefa no nanokatra ny isa voalohany teo amin’ny minitra faha-15, tamin’ny alalan’ny baolina nentin-tanàna, vitan’i Laurence. Tsy voatsaran’i Jinakely anefa izany na nanoloana ny haintso aza ka 5 ihany ny isa azon’ny Malagasy.
Nanaitra ny torimason’ny Springboks izany ka nanao tosikabe amin’izay izy ireo. Nibodo tany amin’ny kianja malagasy ary tsy namela ny baolina hivoaka mihitsy. Efa tany amin’ny minitra faha-30 anefa vao nahatonga baolina nentin-tanana izy ireo, izay voatsara, ka nitarihany tamin’ny isa 7 no ho 5. Niezaka nanafika ny Makis Ladies, saingy mafy ny fiarovan-tena afrikanina tatsimo. Tsy nety tafavoaka mihitsy ry Sariaka sy ry Fenitra. Tetsy ankilany, sesilany ny fanafihana avy amin’ny mpifanandrina. Sahirana tao anaty «charge» ny Makis Ladies, ka niampy telo indray ny baolina nentin-tanana, azon’ny Springboks, saingy ny roa ihany no voatsara ka 26 no ho 5 ny isa, izay nentin’ny roa tonta niala sasatra.
Fizaram-potoana faharoa, tsy nisy azo natao fa nofehezin’ny afrikanina tatsimo, tanteraka ny lalao. Nisesy ny baolina nentin-tanana. Niandry sarahina sisa ny hany azo nataon’ny Makis Ladies. Hitohy rahampitso alarobia ny andro faharoa ka hidona amin’i Kenya, mpampiantrano ny Makis Ladies. Ry zareo Kenyanina izay nandresy an’i Ouganda, tamin’ny isa 42 no ho 10. Ny Springboks kosa hifampitana amin’ny The Cranes Ouganda.
Tompondaka




