Nahazo mpilalao vaovao indray ny Barea! Nantsoin’i Corentin Martins handrafitra ny Barean’i Madagasikara, i Ilam Djaliane, mpiandry tsatoby milalao ao amin’ny Blagnac FC, divizionina fahadimy (D5) any France. Araka ny fikarohana natao, nahatafidirana baolina 12 tamin’ireo lalao enina vitany ity mpiaro ny masonaraton’ny Barea vaovao ity.
Efa nandalo niatrika fiofanana maro tamin’ireo klioba goavana tao Eoropa i Ilam Djaliane. Anisan’izany ny klioba Aj Auxerre, ny Olympique Lyonnais, diviziona voalohany ao France avokoa. Mampametra-panontaniana an’ireo mpanaraka ny baolina kitra ny tsy niantsoana an’i Njiva, Malagasy lohalaharan’ny Ratchaburi FC Thailande sy i Fenohasina Gilles, anisan’ireo mpampidi-baolina betsaka indrindra ao amin’ny AL Merrik Soudan.
“Mpiandry tsatoby ve no tena olana ho an’ny Barea sa ny mpampidi-baolina? Ny tena olana hatramin’izay anie dia io resaka lohalaharana io”, hoy ny Malagasy iray mpankafy baolina kitra .
Marihina fa tsy ao anatin’ity lisitra ity ihany koa i Marco Ilaimaharitra, izay niatrika lalao ara-pirahalahiana niaraka tamin’ny Barea ny volana marsa lasa teo, tany Torkia. Ampahatsiahivina ihany fa hifanandrina amin’i Maroc sy i Ouganda, ny volana jona ho avy izao, atsy Maroc, ny Barea.
Mpilalao roa naverina …
Tazana fa tafaverina anatin’ny lisitra ny ekipa nasionaly malagasy, ry Loic Lapoussin, GX Hengchen, D1 ao Chine sy i Louis Démoléon, milalao ao amin’ny Acireale D4 any Italie.
Tamin’ny lalaon’i Ghana sy i Madagasikara, ny volana marsa 2025 no voaantso ho ekipa nasionaly farany i Lapoussin, raha toa ka efa tany amin’ny volana jona tamin’ny taona lasa no tazana tao anatin’ny Barea i Démoléon.
Fitia Randria
Ireo mpilalao 24 mandrafitra ny Barea :
Mpiandry Tsatoby : Ramandimbisoa Michel, Geordan Dupire, Ilam Djaliane
Vodilaharana : Sandro Tremoulet, Thomas Fontaine, Eshan Kari, Louis Démoléon, Rabearivelo Bono, Morgan Jean Pierre, Acapandié Mathieu, Rabemanantsoa Radoniaina
Mpilalao afovoany : Clément Couturier, Randriamalala Behaja, Raveloson Rayan, Randriamanampisoa Nicolas, Johan N’zi ary i Loïc Lapoussin.
Lohalaharana : Andrianantenaina Arnaud, Fontaine Nicolas, Raheriniaina El Hadary, Ryan Ponti, Hakim Abdallah, Warren Caddy ary Bryan Adinany.




