Notontosaina omaly, tetsy amin’ny Sky Blue Ankadindratombo, ny fivoriambe ara-potoana 2026 ho an’ny Komity olympika malagasy (Kom). Saika tao avokoa ny ankamaroan’ny Federasionina rehetra ary nandefa solontena sy niditra mivantana ireo tsy afaka nanatrika izany. Teboka maro no noresahina ka anisan’ny nisongadina ny mahakasika ny Lalao olympika ho an’ny tanora hatao any Dakar, amin’ity taona ity. Taranjam-panatanjahantena 6 no handraisan’i Madagaaikara anjara dia ny Judo, Atletisma, Tolona sy Tolona amin’ny torapasika, Tenisy ambony latabatra ary Baolina lavalava lalaovin’olona fito. Nanamafy ny Sekretera jeneralin’ny Kom, Randriamanarivo Harinelina, fa manao ny asany izy ireo amin’ny fanamorana ny fandraisana anjaran’ny atleta malagasy, saingy anjaran’ny minisitera sy ny fitondram-panjakana ny eo amin’ny hoenti-manana. Anisan’ny noresahina ihany koa ny mahakasika ny lalaon’ny Nosy 2027, hatao any Kaomoro. Hiadivana mafy ny hahafahan’ny taranja ady totohondry ho anisan’ny hifaninanana, raha toa ka efa fantatra kosa fa ny Volley-ball lalaovina amin’ny torapasika ihany kosa no hifaninana ho an’ny Volley.
Mi.Raz




