Anisan’ny tena olana amin’ny famatsian-drano eto an-dRenivohitra ny fantsona efa antitra sy harafesina. Ankehitriny, efa an-dalam-panatanterahana ny fanoloana azy ireny, raha tsy nety vita hatramin’izay fa nijanona ho fikasana ihany. Feno 50 taona ny orinasam-panjakana Jirama. Anisan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa tato aho ato ny fihenan’ny famatsian-drano, ka nilazan’ny mpitantana […]
Mois : mai 2026
TARATRY ny KANTO
« Tononkalo iray, firehana maro ». Io ny lohahevitry ny fampirantiana tononkalo hataon’i Indiamahery, ao amin’ny IKM Antsahavola, manomboka anio, amin’ny 11 ora. Asa sorany maromaro no notsongain’ity mpanoratra, poeta, mpanao slam ary mpampiofana momba ny soratra ity, mandritra izany. « Amoron’i Maniart 3 », hetsika ho an’ny kolontsaina an-tanàn-dehibe, any Amoron’i Mania. Hotontosaina […]
Fampivelarana ny teny malagasy : Tsy ampy intsony ny volana jona
Ankoatra ny tontolon’ny ankizy, Iray volan’ny teny malagasy koa ny volana jona izay ho avy tsy ho ela. Eo no hanatanterahina ireo hetsika lehibe rehetra heverina fa manome lanja indray ny teny malagasy. Taona maro no efa nanatanterahina izany, saingy, hatramin’izao, tsy mbola hita mazava ny vokatra entiny. Tsy ampy […]
Valiha Académie : Hofohazina ny lalao fahiny
Tsy hijanona fotsiny amin’ireo sampana efa misy sy velona ao aminy ny foibe fikarohana sy fampianarana momba ny kolontsaina malagasy « Valiha Académie », fa hiroso amin’ny fanatevenana izany. Fantatra, omaly, fa hofohazin-dry zareo ireo lalao fahiny. Hanana endrika tari-dalana izany, amin’izao vao manomboka izao, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra. Ireo zaza sy […]
Slam – Amboara maneran-tany : Latsaka teo amin’ny manasa-dalana i Ampisafy Ma-Fia
Nampitaintaina… Fa indrisy, tsy tafakatra hiatrika ny famaranan’ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny Slam ny Malagasy. Efa avo lenta kosa ny tolotra nomaniny. 0,1… Salanisa faran’izay bitika no nahalatsaka an’i Ampisafy Ma-Fia teo amin’ny dingan’ny manasa-dalana, nandritra ny fifaninanana iadiana ny amboara maneran-tany ho an’ny Slam na ny « Grand Poetry […]




