Mois : mai 2026

Humanity First sy ny Ahmadiyya: Manolotra fitsaboana maimaimpoana

Marobe ireo olona tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna amin’izao fotoana izao, noho ny fahasahiranana. Mano­loana izany, mandalo eto Antananarivo, manome fitsaboana maimaimpoana mandritra ny telo andro, ireo dokotera miisa enina avy amin’ny ONG Humanity First avy any Alemana, tarihin’ny dokotera Wjahat Waraich. Fiaraha-miasa amin’ny miziolomanina Ahmadiyya no ahafahan’izy ireo manatanteraka ny […]

Rejisitra sosialy tokana: Ho an’ny fiahiana ara-drariny sy mampiaty

Ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy ny fanjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina. Fomba fiasa matihanina sy maharitra no tanjon’ny Fanavaozana. Tsy mijanona amin’ny fanampiana vonjimaika intsony ny vina fa miatrika ny fototry ny fahantrana mba hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina sy hampitomboana ny fahafahan’ny vahoaka miatrika […]

Oniversiten’i Barikadimy, Toamasina :Tonga ny fanitso miisa 2 772 ho an’ny tranon’ny mpianatra

Telo volana taorian’ny fandravan’ny rivodoza Gezani vao tonga eo anivon’ny oniversiten’i Barikadimy, Toamasina, ny fanitso miisa 2 772 isa hanafoana ny tranon’ny mpianatra “Conaco” miisa 22. Misy kojakoja feno hampiasaina miaraka amin’ny fanitso: faîtière galva miisa 440, cornier galva miisa 4 400 sy loko izay mitotaly 487 405 600 Ar. […]

Fivatravatran’ny « IA »: Loza ho an’ny kolontsain’ny « adalam-pandrosoana »

Tsy azo sakanana intsony. Saika mampiasa na ampiasana ny « intelligence artificielle » na ny « IA » avokoa ny sehatra rehetra (fahasalamana, soratra, zavakanto sy kolontsaina…). Ho an’ ny firenena matanjaka, efa notezaina hahay mandray sy mampiasa azy io ny olona ao aminy. Vao 12 taona monja ny zaza, efa mahafantatra sy mahay […]

Horonantsary mamoafady: Handraisana fepetra ireo mpanaparitaka

Loza mitatao! Maro loatra ireo horonantsary mamoafady miparitaka, indrindra anatin’ny tambajotran-tserasera. Efa sady tsy voafehin’ny Malaga­sy ny fampiasana azy ireny, no lasa fitaovana manimba ny ankizy sy ny tanora ihany koa. Manoloana ireo tranga marobe nahazoana fitarainana, namoaka taratasy fampahatsiahivana ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera. « Iarahantsika mahita fa mihabetsaka […]