Nahatratra 183,5 tapitrisa ny isan’ny mpanjifan’ny Airtel Africa, tamin’ny taom-piasana nifarana ny marsa 2026 teo. Nahatratra 10,5 % io fitomboana io, betsaka indrindra hatramin’izay. Nitombo 14,8% ny isan’ny mpanjifa nisitraka ny tolotra Airtel, niisa 84,2 tapitrisa. Niakatra 49,5% ny mpampiasa finday, raha 4,7% tamin’ny taom-piasana teo aloha. Tafakatra 8,9 Go […]
Mois : mai 2026
FANTINA sy FINTINA
Voatendry hisahana andraikitra eo anivon’ny Frankofonia (OIF), Razanamahasoa Christine. Asa ho sahaniny ny fisoloan-tenan’i Madagasikara eo anivon’ny Sherpa. Manomana sy manaraka ireo antontan-taratasy eo amin’ny lafiny politika sy ny diplaomasia ary koa ny momba ny stratejia eo anivon’ny Frankofonia. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny vovonana NGPM, tamin’ny alalan’ny […]
Madagasikara-Rosia : Manamafy hatrany ny fiaraha-miasa
Tanterahina anio, eny amin’ny biraon’ny masoivoho rosianina, eny Analamahitsy, ny fankalazana ny faha-81 taona nahazoana ny fandresena tamin’ny ady lehibe faharoa. Lanonana izay notarihin’ny mpiraikidraharaha, mpisolo toerana, Alexei Buriak mivady. Nasongadiny nandritra ny lahateny izay nataony, fa nitondra ny anjara birikiny lehibe tamin’ny ady ny fireneny, nanoherana ny fasisma. Nambarany […]
Manao fitan-droa
Tao anatin’ny volana vitsivitsy, mihamena avokoa ny famantarana eto amin’ny firenena. Miverina ny rano tsy ampy. Manomboka ny delestazy izay nilokalokana ny fahataperany. Ny vidim-piainana moa dia miaka-midina toa lelon-jaza eny. Ny tsy fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka miara-mivarina any amin’ny fiibana faobe. Angaha hita izay fiovana! Amin’izao fotoana izao, mampikaikaika […]
Kly Randrianirina Michaël: Nihaona tamin’ny filoham-panjakana maromaro
Nisinisy ny filoham-pirenena niara-nidinika tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, tany Nairobi. Anisan’izany ny Kenianina, Ivoarianina, Egyptianina, sns. Ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola stratejika ary ny fiaraha-miasa hanohanana ny tetikasa fampandrosoana aty amin’ny firenena afrikanina. Izay no nifantohan’ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy ny Frantsay “Africa Forward” 2026, […]




